<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><hymn_number>42</hymn_number>
<lyrics>[V1]
 Moa misy va ety, iriko toa Anao ?
 Ry Tompo be fitia, Mpanao izao rehetra izao
 Ny foko lasanao, ry Ray Malala ô !
 Jereo ty zanakao izao miantoraka Aminao

[V2]
 Moa misy va ety, iriko toa Anao ?
 Jeso sakaiza, avia Hianao hiara-dia izao
 Ny foko tia Anao, oneno, anjakao
 Tsy hatakaloko Hianao, « Ry fiainako vaovao »

[V3]
 Moa misy va ety, iriko toa Anao ?
 Fanahy hendry ery, Mpanoro izay rehetra atao
 Ny foko, he ! Anao, Fanahy Masina ô !
 Ny fiainako ovay ho vao, ka hamasinonao

[V4]
 Moa misy va ety, iriko noho Ilay
 Nesoina tany Kalvary, 'Lay Indrafon'ny Ray
 Jeso Malala ô ! Endrey 'ty vitanao
 Hianao no hetahetako sy hasambarako</lyrics>
<title>Moa misy va? FF42</title>
</song>